Bokin'i Isaia 17:9
Amin’ izany andro izany ny tanànany mafy, dia ho tahaka ny tany lao any an’ ala na any an-tampon-tendrombohitra Izay nilaozan’ ny olona teo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely, ka dia ho foana ny tany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Isaiah 6:11Ary hoy izaho: Tompo ô, mandra-pahoviana anefa? Dia hoy Izy: Mandra-pahafoanan’ ny tanàna, ka tsy hisy mponina, Ary ny trano tsy hisy olona, Ary ny tany ho lao tokoa;
Isaiah 9:9Biriky no efa nirodana, fa vato voapaika kosa no harafitsika; Aviavy no voakapa, fa sedera kosa no hasolontsika azy.
Isaiah 24:1Indro, Jehovah mahafoana ny tany ka mahalao azy ary mampihohoka azy ka manely izay mponina ao aminy.
Isaiah 28:1Lozan’ ny satro-boninahitra, izay reharehan’ ny mpimamo any Efraima, sy ny voninkazo mihamalazo amin’ ny firàvany tsara tarehy, izay eo an-dohan’ ny lohasaha lonaky ny fileon-divay.
Hosea 13:15Fa Efraima dia hahavokatra eo amin’ ny rahalahy; Nefa ho avy ny rivotra avy any atsinanana, dia ny rivotr’ i Jehovah miakatra avy any an-efitra, ka dia ho ritra ny loharanony, ary ho tankina ny fantsakany; Hobaboina ny rakitra, dia ny fanaka tsara rehetra.
Amos 7:9Dia ho foana ny fitoerana avon’ Isaka, ary ho rava ny fitoera-masin’ Isiraely; Ary hitsangana Aho ka hamely sabatra ny taranak’ i Jeroboama.