Bokin'i Isaia 18:3
Ry mponina rehetra amin’ izao tontolo izao sy mpitoetra etỳ ambonin’ ny tany! Raha misy faneva atsangana eo an-tampon-tendrombohitra, dia mijere ianareo, ary raha misy anjomara tsofina, dia mihainoa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Psalms 50:1Salamo nataon i Asafa. Andriamanitra Andriananahary, dia Jehovah, no miteny ka miantso ny tany hatramin’ ny fiposahan’ ny masoandro ka hatramin’ ny filentehany.
Isaiah 5:26Ary hanangana faneva ho amin’ ny firenena lavitra Izy sady hisiaka hiantso ny iray avy any am-paran’ ny tany; Ary, indro, ho avy faingana dia faingana ireo;
Isaiah 11:12Dia hanangana faneva ho an’ ny jentilisa Izy ka hamory ny Isiraely izay voaroaka sy hanangona ny Joda izay voaely Avy any amin’ ny vazan-tany efatra.
Isaiah 13:4Injany! ny horakoraka any an-tendrombohitra, tahaka ny an’ ny vahoaka be! Dia ny fitabataban’ ny fanjakan’ ny firenena efa tafatambatra! Jehovah, Tompon’ ny maro, no manomana miaramila hiady,
Jeremiah 22:29Ry tany! ry tany! ry tany! Henoy ny tenin’ i Jehovah.
Micah 6:2Mihainoa ny adin’ i Jehovah ianareo, ry tendrombohitra, Sy ianareo, ry fanorena-matezan’ ny tany; Fa Jehovah manana ady amin’ ny olony, Eny, amin’ ny Isiraely no ifandaharany.