Bokin'i Isaia 18:7
Amin’ izany andro izany dia hisy fanomezana ho entina ho an’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, dia firenena lava tsanganana sady mandimandina, ary avy amin’ ny firenena mahatahotra hatreto ka hatrany hatrany dia firenena mpanao teny tsy valiana sady maherisetra, Izay vakin’ ny ony maro ny taniny ho ao amin’ ny fitoeran’ ny anaran’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, dia ny tendrombohitra Ziona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Psalms 68:29Andriamanitrao no nampahery anao; Ry Andriamanitra Izay miasa ho anay ô, asehoy ny herinao.
Psalms 72:9Ny mponina any an-efitra handohalika eo anatrehany; ary ny fahavalony hilelaka ny vovoka.
Isaiah 18:4Fa izao no nolazain’ i Jehovah tamiko hangina Aho aloha ka hijery eto amin’ ny fitoerako, raha mbola mipoaka tsara ny hainandro, ary misy zavona amin’ ny hainandro fararano.
Isaiah 45:14Izao no lazain’ i Jehovah; Ny vokatry ny fisasaran’ i Egypta sy ny tombom-barotr’ i Etiopia sy ny Sabeana, olona lava tsanganana, hafindra ao aminao, ka ho anao izany; ary hanaraka anao ireo; avy aman-gadra izy ary hiankohoka handady eo anatrehanao, dia hifona aminao hoe: Ato aminao tokoa Andriamanitra; ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izy ihany.
Micah 4:13Mitsangàna, ka miveleza, ry Ziona zanakavavy, Fa ny tandrokao hataoko vy, Ary ny kitronao hataoko varahina, Ka hanorotoro firenena maro ianao; Dia hatolotrao ho an’ i Jehovah ny hareny, Ary ho an’ ny Tompon’ ny tany rehetra ny fananany.
Zechariah 14:16Ary ny sisa rehetra amin’ ny jentilisa rehetra, izay niakatra namely an’ i Jerosalema, dia hiakatra isan-taona isan-taona hiankohoka eo anatrehan’ ny Mpanjaka, dia Jehovah, Tompon’ ny maro, sy hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo.