Bokin'i Isaia 19:1
Indro, Jehovah mitaingina rahona miriotra mafy ka mankany Egypta; Ary ny andriamani-tsi-izy any Egypta dia mangorohoro eo anatrehany, ary ny fon’ i Egypta dia ketraka ao anatiny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 12:12Fa handeha hamaky ny tany Egypta amin’ izany alina izany Aho ka hamono ny matoa rehetra amin’ ny tany Egypta hatramin’ ny olona ka hatramin’ ny biby fiompy; ary ny andriamanitry ny Egyptiana dia hotsaraiko avokoa: Izaho no Jehovah.
Numbers 33:4Fa ny Egyptiana mbola nandevina izay efa novonoin’ i Jehovah teo aminy, dia ny lahimatoa rehetra; ary ny andriamaniny dia notsarain’ i Jehovah.
Joshua 2:9ka nanao taminy hoe: Fantatro fa efa nomen’ i Jehovah anareo ny tany, ary efa latsaka aminay ny fahatahorana anareo, sady efa ketraka ny mponina rehetra amin’ ny tany noho ny tahotra anareo.
Joshua 2:24ka hoy izy tamin’ i Josoa: Efa natolotr’ i Jehovah eo an-tanantsika tokoa ny tany rehetra; ary efa ketraka ny mponina rehetra amin’ ny tany noho ny tahotra antsika.
Psalms 18:10Dia naondriny ny lanitra, ka nidina Izy; ary aizim-pito no teo ambanin’ ny tongony.
Psalms 68:33Ry fanjakana ambonin’ ny tany, mihirà ho an’ Andriamanitra; mankalazà ny Tompo, [Sela.]