Bokin'i Isaia 19:13
Efa adala ny mpanapaka any Zoana, efa voafitaka ny mpanapaka any Memfisa; Ary efa nampivembena an’ i Egypta ireo fehizoron’ ny fireneny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Numbers 24:17Hitako Izy, nefa tsy ankehitriny; tazako Izy, nefa tsy akaiky; misy kintana miseho avy amin’ i Jakoba sy tehim-panjakana miposaka avy amin’ Isiraely ka mandrava ny sisin-tanin’ i Moaba Ary mandringana ny mpitabataba rehetra.
Isaiah 19:11Efa adala mihitsy ny mpanapaka any Zoana; Hevi-poana no avoak’ izay hendry indrindra amin’ ny mpanolotsain’ i Farao; Ahoana no ilazanareo amin’ i Farao hoe: Zanak’ olon-kendry aho sady taranak’ ireo mpanjaka fahagola?
Jeremiah 44:1Ny teny izay tonga tamin’ i Jeremia ho amin’ ny Jiosy rehetra izay nonina tany amin’ ny tany Egypta, dia izay nonina tao Migdola sy Tapanesa sy Memfisa, ary tany amin’ ny tany Patrosa, nanao hoe:
Jeremiah 46:19Ry Egypta zanakavavy mponina, Mifeheza entana ho entinao any amin’ ny fahababoana; Fa ho tonga tany lao Memfisa, eny, hodorana izy, ka tsy hisy mponina.
Ezekiel 30:16Hampirehitra afo any Egypta Aho; Hiolanolana fatratra Sina noho ny faharariany; Ho banga No, ary Memifisa dia hasian’ ny fahavalo antoandro.
Zechariah 10:4Avy ao aminy no hihavian’ ny fehizoro, Avy ao aminy no hihavian’ ny fihantonan-javatra, Avy ao aminy no hihavian’ ny tsipìka fiadiana, Avy ao aminy no hihavian’ ny mpampahory rehetra.