Bokin'i Isaia 19:2
Ary hamporisihiko hiady izy samy Egyptiana, ka samy hiady amin’ ny rahalahiny avy sy amin’ ny namany avy izy; Ny tanàna hiady amin’ ny tanàna, ary ny fanjakana amin’ ny fanjakana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Judges 7:22Dia nitsoka ny anjomara ny telon-jato lahy, ary nampifamelezin’ i Jehovah tamin’ ny sabatra ny miaramila eran’ ny toby rehetra, dia nandositra hatrany Beti-sita izy ka hatrany Zereraha sy hatramin’ ny fari-tanin’ i Abela-mehola akaiky an’ i Tabata.
1 Samuel 14:16Ary ny mpitilin’ i Saoly ao Gibean’ ny Benjamina dia nitazana, ka, indro, niely ny vahoaka sady nifanaritaka be ihany.
1 Kings 16:21Ary tamin’ izany dia nizara roa ny lehilahy amin’ ny Isiraely: ny antsasany nomba an i Tibny, zanak’ i Ginata, hampanjaka azy; ary ny antsasany kosa nomba an’ i Omry.
2 Chronicles 20:22Ary raha vao nanomboka nihoby sy nidera ireo, dia nasian’ i Jehovah otrika hamely ny taranak’ i Amona sy Moaba sy ny avy any an-tendrombohitra Seïra, izay avy hamely ny Joda, ka dia resy ireo.
Ezekiel 38:21Dia hiantso sabatra Aho hamely azy eny amin’ ny tendrombohitro rehetra, hoy Jehovah Tompo: ary hifamely sabatra amin’ ny namany avy izy rehetra.