Bokin'i Isaia 19:22
Ary Jehovah hamely ny Egyptiana, eny, fa sady hamely Izy no hanasitrana; Dia hiverina ho any amin’ i Jehovah ireo, ka hekeny ny fangatahany, ary hositraniny izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 8:4Ary Farao dia nampaka an’ i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: Mangataha amin’ i Jehovah hampialany ny sahona amiko sy amin’ ny vahoakako; dia halefako ny olona mba hamono any zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah.
2 Kings 20:5Miverena, ka lazao amin’ i Hezekia, mpanapaka ny oloko, hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitr’ i Davida rainao: Efa nohenoiko ny fitarainanao, ary efa hitako ny ranomasonao; indro, hahasitrana anao Aho, ka raha afaka ampitso dia hiakatra ho ao an-tranon’ i Jehovah ianao.
Isaiah 6:10Ataovy adala ny fon’ ity firenena ity, Ary ataovy lalodalovana ny sofiny, Ary ataovy mikimpy ny masony, Fandrao hahita ny masony, Sy handre ny sofiny, Ary hahalala ny fony, Dia hibebaka izy ka ho sitrana.
Isaiah 45:14Izao no lazain’ i Jehovah; Ny vokatry ny fisasaran’ i Egypta sy ny tombom-barotr’ i Etiopia sy ny Sabeana, olona lava tsanganana, hafindra ao aminao, ka ho anao izany; ary hanaraka anao ireo; avy aman-gadra izy ary hiankohoka handady eo anatrehanao, dia hifona aminao hoe: Ato aminao tokoa Andriamanitra; ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izy ihany.
Ezekiel 29:13Fa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Rehefa afaka efa-polo taona, dia hangoniko avy any amin’ ny firenena izay nielezany ny Egyptiana:
Hosea 6:2Rehefa afaka indroa andro, dia hovelominy indray isika; Ary amin’ ny andro fahatelo, dia hatsangany ho velona eo anatrehany isika