The Bible Software
bible.software › Bokin'i Isaia › Bokin'i Isaia 19 › Bokin'i Isaia 19:3

Bokin'i Isaia 19:3

Ary ho very hevitra ny Egyptiana; Eny, hofoanako ny saina ataony; Ary hila saina amin’ ny andriamani-tsi-izy sy amin’ ny mpibitsibitsika amin’ ny odiny izy sy amin’ ny manao azy ho tsindrian-javatra ary amin’ ny mpanao sikidy.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And the spirit of Egypt shall fail in the midst thereof; and I will destroy the counsel thereof: and they shall seek to the idols, and to the charmers, and to them that have familiar spirits, and to the wizards.

In Context

2Ary hamporisihiko hiady izy samy Egyptiana, ka samy hiady amin’ ny rahalahiny avy sy amin’ ny namany avy izy; Ny tanàna hiady amin’ ny tanàna, ary ny fanjakana amin’ ny fanjakana.

4Ary Egypta dia hatolotro hogiazana amin’ izay fitondrana mafy, ary mpanjaka masiaka no hanjaka aminy, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.

Read all of Bokin'i Isaia 19

Cross References

1 Samuel 25:37Ary nony maraina, ka afaka ny hamamoan’ i Nabala, dia nambaran’ ny vavy taminy izany zavatra izany, ka dia matihena ny fony ka tonga tahaka ny vato.

2 Samuel 17:14Ary hoy Absaloma sy ny lehilahy rehetra amin’ ny Isiraely: Tsara noho ny hevitra nataon’ i Ahitofela ny nataon’ i Hosay Arkita. Fa efa notendren’ i Jehovah ho foana ny sain-dalina nataon’ i Ahitofela, hampidiran’ i Jehovah loza amin’ i Absaloma.

2 Kings 1:2Ary Ahazia nianjera avy teo amin’ ny makarakara teo amin’ ny efi-trano ambony tao Samaria ka narary; dia naniraka olona izy ka nanao taminy hoe: Mandehana, anontanio amin’ i Bala-zeboba, andriamanitr’ i Ekrona, na ho sitrana ihany aho amin’ ity aretiko ity, na tsia.

2 Chronicles 25:16Ary raha niteny taminy izy, dia novaliany hoe: Moa voatendrinay ho mpanolo-tsaina ny mpanjaka va Hianao? Aoka itsy ange, fandrao asian’ ny olona ianao. Dia nitsahatra ilay mpaminany ka nanao hoe: Fantatro fa Andriamanitra mikasa hahafaty anao satria nanao izany ianao ka tsy nihaino ny anatro.

Job 5:13Ny fahafetsen’ ny hendry ihany no entiny misambotra azy, ary ny saina ataon’ ny mpiolakolaka dia rava;

Psalms 107:27Nisangodingodina ireo sady nivembena toy ny mamo, Ka dia very ny sainy rehetra.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Isaia 19:3

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Isaia 19:2Bokin'i Isaia 19Bokin'i Isaia 19:4 →