Bokin'i Isaia 2:19
Ary hiditra ao amin’ ny zohy sy ny lava-bato ny olona Noho ny tahotra avy amin’ i Jehovah sy ny voninahitry ny fahalehibiazany, Rehefa mitsangana hampihorohoro ny tany Izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
18Ary ny andriamani-tsi-izy dia ho foana avokoa.
Cross References
1 Samuel 14:11Dia niseho tamin’ ny miaramilan’ ny Filistina izy roa lahy, ary hoy ny Filistina: Indreo, misy Hebreo mifongatra avy any an-davaka niereny.
Psalms 7:6Dia aoka ny fahavalo hanenjika ny fanahiko ka hahatratra azy; eny, aoka izy hanitsaka ny aiko amin’ ny tany, ary hampandry ny voninahitro amin’ ny vovoka. [Sela.]
Psalms 76:7Noho ny teny mafy nataonao, ry Andriamanitr’ i Jakoba, dia sondrian-tory ny kalesy sy ny soavaly.
Isaiah 2:10Midìra ao amin’ ny vatolampy, Ary miere ao amin’ ny vovoka Noho ny tahotra avy amin’ i Jehovah Sy ny voninahitry ny fahalehibiazany.
Isaiah 7:19Dia ho avy ireo, ka samy hipetraka amin’ ny lohasaha lao, sy eny an-tsefatsefaky ny harambato, sy eny amin’ ny fefy tsilo rehetra, ary eny amin’ ny saha fiandrasana rehetra.
Jeremiah 16:16Indro, Izaho haniraka mpamono maro, hoy Jehovah, Izay hamono azy; Ary rehefa afaka izany, dia haniraka mpihaza maro Aho, Izay hihaza azy any amin’ ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra ary any an-tsefatsefaky ny harambato.