Bokin'i Isaia 2:7
Ary ny taniny dia feno volafotsy sy volamena. Sady tsy hita lany ny hareny; Ary ny taniny dia feno soavaly, Sady tsy hita isa ny kalesiny;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Deuteronomy 17:16Kanefa aoka tsy hanana soavaly maro izy, na hampiverina ny olona ho any Egypta mba hahazoany soavaly maro, satria hoy Jehovah taminareo: Aza miverina amin’ izany lalana izany intsony.
1 Kings 10:21Ary ny fisotroan’ i Solomona mpanjaka dia volamena, ary ny fanaka rehetra tao amin’ ny trano Alan’ i Libanona koa dia volamena tsara avokoa; tsy nisy volafotsy ireo; fa nataony toy ny tsinontsinona izany tamin’ ny andron’ i Solomona.
Job 3:15Na teo amin’ ny andriandahy izay manana volamena sady mameno volafotsy ny tranony;
Isaiah 30:16Fa hoy kosa ianareo: Tsia, fa handositra mitaingin-tsoavaly izahay; Koa noho izany dia handositra tokoa ianareo; Ary hoy ianareo: Hitaingina ny faingan-tongotra izahay; Ka dia ho faingan-tongotra koa ny manenjika anareo.
Jeremiah 5:27Toy ny tranom-borona feno vorona no mahafeno fitaka ny tranony; Ary noho izany dia tonga lehibe sy mpanankarena izy.
Micah 5:10Hofoanako ny tanàna amin’ ny taninao, Ary harodako ny tanànanao mimanda rehetra;