Bokin'i Isaia 20:4
dia ho toy izany no hitondran’ ny mpanjakan’ i Asyria ny Egyptiana ho babo sy ny Etiopiana ho sambotra, na tanora na antitra, samy tsy hitafy sady tsy hikiraro no tsy hisarom-pe, ho henatr’ i Egypta.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
1 Chronicles 19:4Dia nosamborin’ i Hanona ny mpanompon’ i Davida ka noharatany, sady nofolonany hatreo amin’ ny foto-peny ny akanjony, ka dia nalefany hody izy.
Isaiah 19:4Ary Egypta dia hatolotro hogiazana amin’ izay fitondrana mafy, ary mpanjaka masiaka no hanjaka aminy, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
Isaiah 31:3Fa olona ihany ny Egyptiana fa tsy Andriamanitra; Ary nofo ihany ny soavaliny, fa tsy fanahy. Koa raha ahinjitr’ i Jehovah ny tànany, dia ho tafintohina izay manampy, ary ho potraka izay ampiana, ka samy ho levona avokoa izy roa tonta.
Jeremiah 13:22Ary raha manao anakampo ianao hoe: ahoana no nahatonga izao tamiko? Noho ny haben’ ny helokao no nampiaingana ny moron-tongotr’ akanjonao sy nandratrana ny ombelahin-tongotrao.
Jeremiah 46:19Ry Egypta zanakavavy mponina, Mifeheza entana ho entinao any amin’ ny fahababoana; Fa ho tonga tany lao Memfisa, eny, hodorana izy, ka tsy hisy mponina.
Ezekiel 30:18Any Tapanesa dia ho maizina ny andro, raha tapahiko any ny ziogan’ i Egypta, ary hitsahatra ny fiavonavonan’ ny heriny; Ho voasaron’ ny rahona izy, sady ho lasan-ko babo ny zananivavy.