Bokin'i Isaia 20:5
Ary ho raiki-tahotra sy ho menatra ny Isiraely noho ny amin’ i Etiopia fanantenany sy Egypta reharehany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And they shall be afraid and ashamed of Ethiopia their expectation, and of Egypt their glory.
In Context
Cross References
2 Kings 18:21Fa, indro, ianao matoky io tehina volotara torotoro io, dia Egypta, nefa raha itehenan’ olona iny, dia manindrona ny tànany miboroaka; tahaka izany Farao, mpanjakan’ i Egypta, amin’ izay rehetra matoky azy.
Isaiah 30:3Kanjo ho tonga henatra ho azy ny fiarovana mafin’ i Farao, ary ho fanalam-baraka azy ny fialokalofany ao amin’ ny alokalok’ i Egypta.
Isaiah 30:7Nefa zava-poana sy tsinontsinona ny famonjen’ ny Egyptiana; Koa izany no nanaovako azy hoe: Ilay be rehaka tsy mety manao na inona na inona!
Jeremiah 9:23Fa izay te-hirehareha dia aoka hirehareha amin’ izao: Dia ny fahendreny sy ny fahalalany Ahy ho Jehovah, Izay manao famindram-po sy fitsarana marina ary fahamarinana etỳ ambonin’ ny tany; fa izany no sitrako, hoy Jehovah.
Jeremiah 46:25Ary hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely; Indro, hovaliako Amona avy any Nô Ary Farao sy Egypta mbamin’ ny andriamaniny sy ny mpanjakany, dia Farao sy izay rehetra matoky azy;
Ezekiel 29:7(Nony mandray anao amin’ ny tànany izy, dia folaka ianao, ka voatsindronao ny helik’ izy rehetra; Ary nony mitehina aminao izy, dia tapaka ianao ka mampilefidefitra ny valahan’ izy rehetra.)