Bokin'i Isaia 20:6
Ary amin’ izany andro izany ny mponina etỳ amoron-dranomasina dia hanao hoe: He! ity manjo ilay nantenaintsika sady nandosirantsika ho famonjena antsika ho afaka amin’ ny mpanjakan’ i Asyria! Aiza intsony re no handosirantsika?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Job 22:30Hanafaka ny olona meloka Izy, eny, ny fahadiovan’ ny tananao no hamonjena azy.
Isaiah 28:17Ny fitsarana no hataoko ho fitsipika, ary ny fahamarinana ho pilao; Hopaohin’ ny havandra ny lainga fiarovana, ary hindaosin’ ny rano ny fierena.
Isaiah 30:15Fa izao no lazain’ ny Tompo, dia Jehovah, ny Iray Masin’ ny Isiraely: Amin’ ny fiverenana sy ny fitsaharana no hamonjena anareo, amin’ ny fanginana sy ny fahatokiana no hisian’ ny herinareo; Nefa tsy nety ianareo;
Isaiah 31:3Fa olona ihany ny Egyptiana fa tsy Andriamanitra; Ary nofo ihany ny soavaliny, fa tsy fanahy. Koa raha ahinjitr’ i Jehovah ny tànany, dia ho tafintohina izay manampy, ary ho potraka izay ampiana, ka samy ho levona avokoa izy roa tonta.
Jeremiah 47:4Noho ny hihavian’ ny andro handravana ny Filistina rehetra sy handringanana izay sisa rehetra amin’ ny mpamonjy an’ i Tyro sy Sidona; Fa horavan’ i Jehovah ny Filistina, dia ny sisa avy any amin’ ny nosy Kaftora.
1 Thessalonians 5:3Raha misy olona manao hoe: Miadana sy mandry fahizay, dia hanjo azy tampoka ny fandringanana, toy ny fahararian’ ny vehivavy raha miteraka, ka tsy ho afa-mandositra mihitsy izy.