Bokin'i Isaia 22:15
Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Andeha mankao amin’ ilay mpanolo-tsaina io, dia ao amin’ i Sebna, lehiben’ ny ao an-dapa, ka ataovy hoe:
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
2 Kings 10:5Ary ny lehiben’ ny tandapa sy ny mpanapaka ny tanana ary ny loholona koa sy ireo mpitaiza naniraka tany amin’ i Jeho nanao hoe: Mpanomponao izahay, koa izay rehetra andidianao anay dia hataonay; tsy hanangana andriana izahay, fa izay sitraky ny fonao ihany no ataovy.
2 Kings 18:26Dia hoy Eliakima, zanak’ i Hilkia, sy Sebna ary Joa tamin-dRabsake: Masìna ianao, teny Syriana no ataovy aminay mpanomponao, fa fantatray ihany izany; fa aza manao teny Jiosy ho ren’ ny olona eny ambonin’ ny mànda.
2 Kings 19:2Ary izy naniraka an’ i Eliatima, lehiben’ ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary ny lohan’ ny mpisorona samy nitafy lamba fisaonana hankany amin’ Isaia mpaminany, zanak’ i Amoza.
Isaiah 36:3Ary Eliakima, zanak’ i Hilkia, izay lehiben’ ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary Joa, zanak’ i Asafa, mpitadidy ny raharaham-panjakana, dia nivoaka ho ao aminy.
Isaiah 36:22Ary Eliakima, zanak’ i Hilkia, izay lehiben’ ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary Joa, zanak’ i Asafa, mpitadidy ny raharaham-panjakana, dia niditra nankao amin’ i Hezekia, sady voatriatra ny fitafiany, ary nilaza taminy ny tenin-dRabsake izy.
Acts 8:27Dia nitsangana izy ka lasa nandeha; ary, indro, nisy lehilahy Etiopiana, tandapan’ i Kandasy, mpanjakavavin’ ny Etiopiana, sady mpitahiry ny hareny rehetra, ary tonga tany Jerosalema izy mba hivavaka;