Bokin'i Isaia 22:24
Ary hahantona eo aminy ny havesatry ny voninahitry ny mpianakavin-drainy rehetra, izay zanaka sy tera-drainy rehetra, dia ny fanaka madinita rehetra hatramin’ ny lovia ka hatramin’ ny siny samy hafa rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 41:44Ary hoy Farao tamin’ i Josefa: Izaho no Farao, ary raha tsy teninao, dia tsy hisy olona hanetsika ny tànany na ny tongony eto amin’ ny tany Egypta rehetra.
Genesis 47:12Dia novelomin’ i Josefa tamin’ ny hanina ny rainy sy ny rahalahiny mbamin’ ny ankohonan’ ny rainy rehetra, araka ny isan’ ny zanany avy.
Daniel 6:1Ary Dariosa Mediana no nandray ny fanjakana, rehefa tokony ho roa amby enim-polo taona no andro niainany.
John 5:22Fa ny Ray aza tsy mitsara olona, fa ny fitsarana rehetra dia nomeny ny Zanaka,
Romans 9:22Sa ahoana kosa raha Andriamanitra, na dia ta-haneho ny fahatezerany sy hampahafantatra ny heriny aza, dia be fahari-po ka nandefitra tamin’ izay fanaky ny fahatezerana voavoatra hosimbana,