Bokin'i Isaia 23:8
Iza no nikasa izany hamelezana an’ i Tyro, mpanome satro-boninahitra, izany? Mpanapaka ny mpandrantony, Olo-malaza amin’ ny tany ny mpivarony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Deuteronomy 29:24Dia hiteny ny vahoaka ka hanao hoe: Satria izy nahafoy ny faneken’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izay nataony taminy fony Izy nitondra azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta.
Isaiah 36:9Hataonao ahoana no fampiamboho ny komandy iray amin’ ny mpanompon’ ny tompoko, na dia izay kely indrindra aminy aza, nefa matoky an’ i Egypta ianao hahazoanao kalesy sy mpitaingin-tsoavaly?
Ezekiel 28:2Ry zanak’ olona, lazao amin’ ny mpanjakan’ i Tyro hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Satria miavonavona ny fonao, ka hoy ianao: Mba Andriamanitra koa aho; eto amin’ ny anankiray amin’ ny fipetrahan’ Andriamanitra no ipetrahako, dia eto ampovoan’ ny ranomasina. Nefa olona ihany ianao, fa tsy Andriamanitra tsinona, Na dia nataonao toy ny fon’ Andriamanitra aza ny fonao,
Zechariah 9:3Ary Tyro nanao manda mafy ho azy Ka nanangona volafotsy hoatra ny vovoka Sy volamena tsara hoatra ny fotaka eny an-dalambe.