Bokin'i Isaia 24:1
Indro, Jehovah mahafoana ny tany ka mahalao azy ary mampihohoka azy ka manely izay mponina ao aminy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Deuteronomy 4:27Ary Jehovah hampiely anareo any amin’ ny firenen-tsamy hafa; ary ho tonga olom-bitsy izay sisa aminareo any amin’ ny firenen-tsamy hafa izay hitondran’ i Jehovah anareo.
Deuteronomy 32:26Fa efa nolazaiko hoe: Hotsofiko hihahaka izy; Hatsahatro ny fahatsiarovana azy tsy ho eo amin’ ny zanak’ olombelona,
Nehemiah 1:8Hotsarovanao anie ilay teny nandidianao an’ i Mosesy mpanomponao hoe: Raha manao izay mahadiso ianareo, dia hampiely anareo any amin’ ny firenena maro Aho;
Isaiah 1:7Ny taninareo dia efa lao; Ny tanànanareo dia voadotra tamin’ ny afo; Ny tany volenareo dia lanin’ ny fahavalo eo imasonareo, ary lao izy toy ny efa noravan’ ny fahavalo.
Isaiah 5:6Ary hataoko simba dia simba izy; Tsy hohetezana ny sakeli-boalobony, ary tsy hohevoina izy, Fa ho rakotry ny hery sy ny tsilo; Ary hodidiako ny rahona tsy hampilatsaka ranonorana aminy.
Isaiah 7:17Jehovah hahatonga aminao sy ny olonao ary ny mpianakavin-drainao Izay andro tsy mbola nisy toa azy Hatramin’ ny andro nialan’ i Efraima tamin’ ny Joda (Dia ny mpanjakan’ i Asyria);