Bokin'i Isaia 24:19
Rava dia rava ny tany; Mitresaka dia mitresaka ny tany; Mihorohoro dia mihorohoro ny tany;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
The earth is utterly broken down, the earth is clean dissolved, the earth is moved exceedingly.
In Context
Cross References
Deuteronomy 11:6ary izay nataony tamin’ i Datana sy Abìrama, zanak’ i Eliaba, zanak’ i Robena, teo amin’ ny Isiraely rehetra, dia izay nisokafan’ ny tany sy nitelemany azy mbamin’ ny ankohonany sy ny lainy ary ny zava-manan’ aina izay nomba azy;
Isaiah 34:4Izay rehetra eny amin’ ny lanitra dia ho levona, Ary ny lanitra hahorona tahaka ny fangorona taratasy; Ary ny eny aminy rehetra dia halazo tahaka ny fahalazon’ ny ravina mihintsana avy amin’ ny voaloboka, ary tahaka ny ravina malazo mihintsana avy amin’ ny aviavy.
Nahum 1:5Mihorohoro eo anatrehany ny tendrombohitra, Sady miempo ny havoana, Ary mientanentana eo anatrehany ny tany, Dia ny tany onenana sy ny mponina rehetra ao aminy.
Matthew 24:3Ary nipetraka teo an-tendrombohitra Oliva Izy, dia nanatona Azy mangingina ny mpianany ka nanao hoe: Lazao aminay izay andro hahatongavan’ izany, ary izay ho famantarana ny fihavianao sy ny fahataperan’ izao tontolo izao.