Bokin'i Isaia 24:20
Mivembena dia mivenbena tahaka ny mamo ny tany ka mitsingevaheva toy ny fandriana mihantona; ary mitambesatra aminy ny fahadisoany, dia potraka izy ka tsy ho tafarina intsony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
19Rava dia rava ny tany; Mitresaka dia mitresaka ny tany; Mihorohoro dia mihorohoro ny tany;
Cross References
Genesis 41:31ary ny fahavokarana eo amin’ ny tany tsy ho fantatra noho izany mosary manaraka azy izany; fa ho mafy indrindra izany.
Psalms 107:27Nisangodingodina ireo sady nivembena toy ny mamo, Ka dia very ny sainy rehetra.
Isaiah 1:28Ary samy haringana avotoa ny mpiodina sy ny mpanota, Eny, ho lany ritra izay mahafoy an’ i Jehovah.
Isaiah 19:14Jehovah efa nampidina fanahy mampandraingiraingy teo Egypta; ka efa nampivembena azy tamin’ ny asany rehetra ireo, dia tahaka ny olona mamo miraingiraingy sady mandoa.
Isaiah 38:12Ny fonenako nesorina ka nafindra tsy ho amiko, tahaka ny lain’ ny mpiandry ondry; Ahoroko tahaka ny tenona ny androko, fa efa hotapahiny ho afaka amin’ ny haraka izy; Indray andro monja no anaperanao ny aiko.
Jeremiah 4:24Nojereko ny tendrombohitra, ka, indro, nihorohoro izy, ary ny havoana rehetra nihozongozona;