Bokin'i Isaia 24:5
Ary ny tany dia efa voavetavetan’ ny mponina ao aminy, satria nandika ny lalàna sy nanota ny didy izy ary nivadika ny fanekena mandrakizay.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 3:17Ary hoy koa Izy tamin’ i Adama: Satria efa nihaino ny feon’ ny vadinao ianao, ka nihinananao ny hazo, izay nandrarako anao hoe: Aza ihinananao izany, dia voaozona ny tany noho izay nataonao; fahoriana no hihinanao ny vokany amin’ ny andro rehetra hiainanao.
Genesis 17:13Tsy maintsy hoforana ny ompikelinao sy izay novidinao vola; ary ny fanekeko dia ho ao amin’ ny nofonareo ho fanekena mandrakizay.
Leviticus 20:22Ary tandremo ny didiko rehetra sy ny fitsipiko rehetra, ka araho izy, mba tsy handoa anareo ny tany izay itondrako anareo honenana.
Numbers 35:33Ary aza mametaveta ny tany izay onenanareo, fa ny rà dia fametavetana ny tany; ary ny tany tsy azo anaovana fanavotana ny amin’ ny rà izay nalatsaka teo, afa-tsy amin’ ny ran’ izay nandatsaka azy ihany.
Deuteronomy 32:20Dia hoy Izy: Hafeniko azy ny tavako; Ho hitako izay hiafarany; Fa firenena tena mpivadibadika izy, Dia zaza tsy mahatoky.
Joshua 24:25Ary dia nanao fanekena tamin’ ny vahoaka Josoa tamin’ izany andro izany ka nanome azy lalàna sy didy tany Sekema.