Bokin'i Isaia 25:4
Fa fiarovana mafy ho an’ ny reraka Hianao, eny, fiarovana mafy ho an’ ny malahelo amin’ ny fahoriany, fierena amin’ ny ranonoram-baratra, fialokalofana amin’ ny hainandro, fa ny rivotry ny mahery dia tahaka ny ranonorana mifafy mamely ny ampiantany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
3Ka dia hankalaza Anao ny firenena masiaka, Hatahotra Anao ny tanànan’ ny firenena lozabe.
Cross References
Job 5:15Fa vonjeny kosa ny malahelo tsy ho voan’ ny sabatry ny vavany; Eny, vonjeny tsy ho azon’ ny tanan’ ny mahery izy.
Psalms 12:5Izay manao hoe: hampahery anay ny lelanay; miandany aminay ny molotray; iza no tomponay?
Psalms 72:4Hitsara ny olona ory izy sy hamonjy ny zanaky ny mahantra ary hanorotoro ny mpampahory.
Psalms 91:1Ny mitoetra ao amin’ ny fierena izay an’ ny Avo Indrindra Dia monina eo ambanin’ ny aloky ny Tsitoha.
Psalms 119:31Mifikitra amin’ ny teni-vavolombelonao aho; Jehovah ô, aza avela ho azon-kenatra aho;
Isaiah 4:6Ka hisy trano-lay ho fialokalofana amin’ ny hainandro raha antoandro Ary ho fialofana sy fierena amin’ ny tafio-drivotra sy ny ranonorana.