Bokin'i Isaia 25:6
Ary Jehovah, Tompon’ ny maro, dia hanao fanasana ho an’ ny firenena rehetra eto amin’ ity tendrombohitra ity, dia fanasana amin’ ny zavatra matavy, fanasana amin’ ny divay efa niotrika ela, zavatra matavy be tsoka, divay efa niotrika ela sady voadio tsara.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Psalms 63:5Toy izany no hisaorako Anao, raha mbola velona koa aho; amin’ ny anaranao no hanandratako ny tanako.
Psalms 78:68Fa nifidy ny firenen’ i Joda kosa Izy, dia ny tendrombohitra Ziona izay tiany.
Song of Solomon 1:2Enga anie ka hanoroka ahy amin’ ny fanorohan’ ny vavany izy! Fa tsara noho ny divay ny fitiavanao.
Song of Solomon 2:3Toy ny hazo poma amin’ ny hazo any an’ ala, dia toy izany ny malalako eo amin’ ny zatovo. Mahafinaritra ahy indrindra ny mipetraka eo ambanin’ ny alokalony, sady mamy ao am-bavako ny voany.
Isaiah 1:19Raha manaiky sy mankatò ianareo, dia hihinana ny voka-tsoa amin’ ny tany;
Isaiah 25:10Fa hipetraka amin’ ity tendrombohitra ity ny tànan’ i Jehovah, ary Moaba hohosihosena ao amin’ izay itoerany, dia tahaka ny fanosihosena ny mololo miavosa amin’ ny rano ao am-pahitra;