Bokin'i Isaia 25:7
Ary hofoanany eto amin’ ity tendrombohitra ity, ny sarona izay manarona ny olona rehetra sy ny rakotra izay arakotra ny firenena rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Isaiah 60:1Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao, ary ny voninahitr’ i Jehovah efa miposaka aminao.
Luke 2:32Dia fahazavana hahazava ny firenena sady voninahitry ny Isiraely olonao.
2 Corinthians 3:13ary tsy tahaka an’ i Mosesy, izay nanarona ny tavany tamin’ ny fisalobonana, mba tsy hibanjinan’ ny Zanak’ Isiraely ny faran’ izay nihalevona;
Ephesians 4:18fa efa tonga maizin-tsaina sy olon-ko azy amin’ ny fiainan’ Andriamanitra ireny noho ny tsi-fahalalana ny anatiny, noho ny hamafin’ ny fony,
Hebrews 9:8koa izany no anambaran’ ny Fanahy Masìna fa tsy mbola voaseho ny lalana mankany amin’ ny fitoerana masìna indrindra, raha mbola ao ihany ny tabernakely voalohany;
Hebrews 10:19Koa amin’ izany, ry rahalahy, satria manana fahatokiana hiditra ao amin’ ny fitoerana masìna isika noho ny ran’ i Jesosy,