Bokin'i Isaia 26:11
Jehovah ô, avo ny tananao, nefa tsy jeren’ ireo; Tsy maintsy hojereny ihany anefa ny fahasaro-piaronao amin’ ny olonao, ka ho menatra izy; Eny, afo no handevona ny fahavalonao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
12Jehovah ô, manorina fiadanana ho anay Hianao: Fa ny asanay rehetra dia tanterahinao ho anay.
Cross References
Exodus 9:14Fa ankehitriny izao dia halefako ny areti-mandringana rehetra avy atỳ amiko hamely ny fonao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao, mba hahafantaranao fa tsy misy tahaka Ahy amin’ ny tany rehetra.
1 Samuel 6:9Ary izahao, ka raha miakatra amin’ ny lalana mankany amin’ ny taniny ihany ho any Beti-semesy izany, dia Jehovah no nahatonga izao loza lehibe izao tamintsika; fa raha tsy izany, dia ho fantatsika fa tsy ny tanany no namely antsika, fa mby amin’ izay hanjo antsika.
Psalms 10:12Mitsangàna, Jehovah ô; Andriamanitra ô, atsangano ny tananao, aza manadino ny ory.
Psalms 28:5Fa tsy mihevitra ny asan’ i Jehovah, na ny vitan’ ny tànany, izy, dia horavan’ i Jehovah izy, fa tsy haoriny.
Isaiah 5:24Koa toy ny fandevonan’ ny lelafo ny mololo, ary toy ny fifitsaky ny bozaka midedadeda, dia toy izany no hahalovan’ ny fakany sy hijofoan’ ny voniny hanjary vovoka, satria efa nandà ny lalàn’ i Jehovah, Tompon’ ny maro izy Sy nanamavo ny tenin’ ny Iray Masin’ ny Isiraely.
Isaiah 11:13Ary hitsahatra ny fialonan’ i Efraima, ary hofongorana ny fandrafiana’ an i Joda: Efraima tsy hialona an’ i Joda, Ary Joda tsy handrafy an’ i Efraima.