Bokin'i Isaia 26:14
Ny maty tsy ho velona intsony, ny matoatoa tsy mba hitsangana; Fa novalianao izy ka naringanao, sady nolevoninao avokoa ny fahatsiarovana azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 14:30Izany no namonjen’ i Jehovah ny Isiraely tamin’ izany andro izany mba tsy ho azon’ ny Egyptiana; ary hitan’ ny Isiraely teny amoron’ ny ranomasina ny fatin’ ny Egyptiana.
Job 7:9Tahaka ny rahona misava ka levona, dia tahaka izany koa, izay midìna any amin’ ny fiainan-tsi-hita tsy mba hiakatra intsony;
Job 24:20Manadino azy ny vohoka; manjary hanim-py ho an’ ny olitra izy ka tsy tsarovana intsony; Ary tapaka tahaka ny hazo ny ratsy fanahy,
Psalms 106:28Nikambana tamin’ i Bala-peora ireo ka nihinana ny fanatitra ho an’ ny maty,
Proverbs 10:7Hankasitrahana ny fahatsiarovana ny marina; Fa ho lò ny anaran’ ny ratsy fanahy.
Isaiah 10:3Ary ahoana no hataonareo amin’ ny andro famaliana sy amin’ ny fandravana izay avy amin’ ny lavitra? Ho any amin’ iza no handosiranareo hamonjy anareo? Ary aiza no hametrahanareo ny harenareo?