Bokin'i Isaia 26:2
Vohay ny vavahady, mba hidiran’ ny firenena marina, izay mitana ny fahamarinana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Open ye the gates, that the righteous nation which keepeth the truth may enter in.
In Context
3Ny saina tsy miovaova dia harovanao ao amin’ ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy.
Cross References
Deuteronomy 4:6Koa tandremo ary ataovy izany, fa izany no ho fahendrenareo sy ho fanananareo saina eny imason’ ny firenen-tsamy hafa; fa handre izany lalàna rehetra izany izy ka hanao hoe: Olona hendry sy manan-tsaina tokoa io firenena io
Psalms 118:19Vohay ny vavahadin’ ny fahamarinana aho; Hiditra eo aho ka hidera an’ i Jehovah.
Isaiah 54:14Amin’ ny fahamarinana no hampiorenana anao; aza manahy ny fampahoriana, fa tsy hatahotra ianao, na ny fampahatahorana, fa tsy hanakaiky anao izany.
Isaiah 60:11Ary hidanadana mandrakariva ny vavahadinao, tsy hirindrina izy na andro na alina, hampidirana ny haren’ ny firenena sy ny mpanjakany izay efa voababo ho ao aminao.
Isaiah 62:2Ny firenena hahita ny fahamarinanao, ary ny mpanjaka rehetra hahita ny voninahitrao; dia homena anaram-baovao ianao, Izay hotononin’ ny vavan’ i Jehovah;
Ezekiel 48:31Ary ny anaran’ ny vavahady dia ho toy ny anaran’ ny firenen’ Isiraely: ny vavahady telo avaratra, dia vavahadin’ i Robena ny iray vavahadin’ i Joda ny iray, vavahadin’ i Levy ny iray.