The Bible Software
bible.software › Bokin'i Isaia › Bokin'i Isaia 26 › Bokin'i Isaia 26:20

Bokin'i Isaia 26:20

Mandehana, ry oloko, midìra ao amin’ ny efi-tranonao, ary mirindrina varavarana ianao, ka miere kely indray mipi-maso monja Mandra-pahalasan’ ny fahatezerana.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

Come, my people, enter thou into thy chambers, and shut thy doors about thee: hide thyself as it were for a little moment, until the indignation be overpast.

In Context

19Ho velona indray ny olonao izay efa maty, ny fatin’ ny oloko hitsangana; Koa mifohaza sy mihobia, ianareo izay mandry ao amin’ ny vovoka; Fa ny andonao dia tahaka ny andon’ ny fahazavana, ary ny tany hiteraka ny maty.

21Fa, indro, Jehovah mivoaka avy amin’ ny fitoerany hamaly ny mponina amin’ ny tany noho ny helony; Ary ny tany hampiseho ny rà izay nofohiny ka tsy hanafina intsony izay novonoina teo aminy.

Read all of Bokin'i Isaia 26

Cross References

Genesis 7:1Ary hoy Jehovah tamin’ i Noa: Midìra ao anatin’ ny sambo-fiara ianao mbamin’ ny ankohonanao rehetra, satria ianao no hitako fa marina eo anatrehako amin’ izao olona miara-belona aminao izao.

Exodus 12:22Dia makà hysopa iray fihina, ka atsobohy amin’ ny rà izay ao anatin’ ny bakoly ary ny rà izay ao anatin’ ny bakoly dia anenteno amin’ ny tataom-baravarana sy ny tolana roa; ary aza misy mivoaka eo am-baravaran’ ny tranonareo avy ianareo ambara-pahamarain’ ny andro.

Psalms 27:5Fa hanafina ahy ao an-trano fialofany amin’ ny andro fahoriana Izy; hampiery ahy amin’ ny fierena ao an-dainy Izy; hanandratra ahy ho eny ambony vatolampy Izy.

Psalms 31:20Akory re ny haben’ ny zava-tsoanao voarakitrao ho an’ ny matahotra Anao! dia izay nataonao teo anatrehan’ ny zanak’ olombelona ho an’ izay mialoka aminao!

Psalms 57:1Ho an’ ny mpiventy hira. Al-tasheth. Miktama nataon’ i Davida tamin’ ny nandosirany an’ i Saoly tao anaty zohy.

Psalms 91:1Ny mitoetra ao amin’ ny fierena izay an’ ny Avo Indrindra Dia monina eo ambanin’ ny aloky ny Tsitoha.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Isaia 26:20

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Isaia 26:19Bokin'i Isaia 26Bokin'i Isaia 26:21 →