Bokin'i Isaia 26:4
Matokia an’ i Jehovah mandrakizay, fa Jehovah Tompo no Vatolampy mandrakizay.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Trust ye in the LORD for ever: for in the LORD JEHOVAH is everlasting strength:
In Context
3Ny saina tsy miovaova dia harovanao ao amin’ ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy.
Cross References
Deuteronomy 32:15Nihanatavy Jesorona ka namely daka, Efa matavy ianao sady vory nofo no vaventibe, Dia nahafoy an’ Andriamanitra Izay nanao azy izy, Ary nanamavo ny Vatolampy famonjena azy.
1 Samuel 2:2Tsy misy masìna tahaka an’ i Jehovah, fa tsy misy afa-tsy Hianao; ary tsy misy vatolampy tahaka an’ Andriamanitsika.
2 Chronicles 32:8Sandry nofo no momba azy, fa Jehovah Andriamanitsika kosa no momba antsika hamonjy antsika ka hiady ny adintsika. Ary dia niankina tamin’ ny tenin’ i Hezekia, mpanjakan’ ny Joda, ny olona.
Psalms 18:2dia hoy izy:― Mamiko indrindra Hianao, Jehovah Heriko ô.
Psalms 55:22Malambo noho ny rononomandry ny vavany, kanjo ady no ao am-pony; malemy noho ny diloilo ny teniny, kanjo sabatra voatsoaka ireny.
Psalms 62:9Matokia Azy mandrakariva ianareo, ry olona; loary eo anatrehany ny fonareo; Andriamanitra no aro ho antsika. [Sela.]