Bokin'i Isaia 26:7
Voaravona ny lalan’ ny marina: Eny, aravonao ho marina indrindra ny alehan’ ny marina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
The way of the just is uprightness: thou, most upright, dost weigh the path of the just.
In Context
6Hitsahin’ ny tongotra izy, dia ny tongotry ny ory sy ny faladian’ ny mahantra.
Cross References
1 Samuel 2:2Tsy misy masìna tahaka an’ i Jehovah, fa tsy misy afa-tsy Hianao; ary tsy misy vatolampy tahaka an’ Andriamanitsika.
Job 27:5Sanatria raha hanaiky ny anareo ho marina aho! Mandra-pialan’ ny aiko dia tsy hanaiky ny tenako ho manan-tsiny aho.
Psalms 1:6Fa fantatr’ i Jehovah ny lalan’ ny marina, fa ny lalan’ ny ratsy fanahy kosa dia mankany amin’ ny fahaverezana.
Psalms 11:4Jehovah dia ao amin’ ny tempoliny masìna, ny seza fiandrianan’ i Jehovah dia any an-danitra; ny masony mijery, eny, ny hodi-masony mizaha toetra ny zanak’ olombelona.
Psalms 18:23Ny fitsipiny rehetra dia teo anatrehako, ary ny lalàny tsy mba nampialaiko tamiko;
Proverbs 11:5Ny fahamarinan’ ny marina mandamina ny alehany; Fa ny ratsy fanahy lavon’ ny haratsiany ihany.