Bokin'i Isaia 26:9
Amin’ ny fanahiko no aniriako Anao nony alina; Eny, ny saiko ato anatiko no itadiavako Anao fatratra; Fa raha mamely ny tany ny fitsaranao, dia mianatra fahamarinana ny mponina amin’ izao tontolo izao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Numbers 14:21Kanefa raha velona koa Aho, ka ho feno ny voninahitr’ i Jehovah ny tany rehetra,
Psalms 58:11Hifaly ny marina, raha mahita ny famaliana; hanasa ny tongony amin’ ny ran’ ny ratsy fanahy izy;
Psalms 63:6Toy ny voky tsoka sy tavy no hahavokisan’ ny fanahiko; ary amin’ ny molotra falifaly no hideran’ ny vavako Anao.
Psalms 77:2Ny feoko dia mankany amin’ Andriamanitra, ka mitaraina aho; eny, ny feoko mankany amin’ Andriamanitra, ka mihaino ahy Izy.
Psalms 83:18Aoka ho menatra sy ho amin-tahotra mandrakizay izy; eny, aoka hangaihay sy haringana izy.
Psalms 130:6Ny fanahiko miandry ny Tompo Mihoatra noho ny fiandrin’ ny mpiambina ny maraina, Dia ny fiandrin’ ny mpiambina ny maraina.