Bokin'i Isaia 27:1
Amin’ izany andro izany ny sabatr’ i Jehovah, izay mafy sady lehibe no mahery, no ho entiny mamaly ny leviatana, dia ilay menarana mandositra, sy ny leviatana, dia ilay menarana miforoporotra, Ary hovonoiny ilay dragona ao an-dranomasina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
2Amin’ izany andro izany no hihiranareo ny amin’ ny tanim-boaloboka ahazoana divay mahery hoe:
Cross References
Job 3:8Aoka hanozona azy ny mpanozona andro, Izay mahay mamoha ny dragona;
Job 26:13Ny fanahiny no mahatsara tarehy ny lanitra; Ny tànany no nitomboka ny menarana mandositra.
Psalms 45:3Tsara tarehy noho ny zanak’ olombelona ianao; fahasoavana no naidina tamin’ ny molotrao; izany no nitahian’ Andriamanitra anao mandrakizay.
Psalms 104:26Any no alehan’ ny sambo Sy ny trozona, izay noforoninao hilaolao any.
Isaiah 34:5Fa ny sabatro dia mamon-drà any amin’ ny lanitra; Indro, hidina hihatra amin’ i Edoma iny sy amin’ ny firenena voatendriko haringana, mba ho fitsarana azy.
Isaiah 65:25Ny amboadia sy ny zanak’ ondry hiara-komana, Ary ny liona hihina-mololo tahaka ny omby, Ary ny menarana, dia vovoka no ho fihinany; Ary tsy handratra na hanimba eran’ ny tendrombohitro masìna izy, hoy Jehovah.