The Bible Software
bible.software › Bokin'i Isaia › Bokin'i Isaia 27 › Bokin'i Isaia 27:12

Bokin'i Isaia 27:12

Ary amin’ izany andro izany dia hisy fampihintsanana ataon’ i Jehovah hatramin’ ny ony mandriaka ka hatramin’ ny lohasahan-driak’ i Egypta; Ary ianareo samy hotsimponina tsirairay, ry Zanak’ Isiraely.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And it shall come to pass in that day, that the LORD shall beat off from the channel of the river unto the stream of Egypt, and ye shall be gathered one by one, O ye children of Israel.

In Context

11Raha malazo ny rantsany, dia hotapatapahina, ka ho avy ny vehivavy hitaina azy, satria firenena tsy manam-pahalalana izy, dia tsy hiantra azy ny Mpanao azy, ary tsy hamindra fo aminy ny Mpamorona azy.

13Ary amin’ izany andro izany koa no hitsofana anjomara lehibe, dia ho avy izay very tany amin’ ny tany Asyria sy izay efa voaroaka tany amin’ ny tany Egypta, ka hiankohoka eo anatrehan’ i Jehovah ao amin’ ny tendrombohitra masìna any Jerosalema.

Read all of Bokin'i Isaia 27

Cross References

Deuteronomy 30:3dia hampodin’ i Jehovah Andriamanitrao avy amin’ ny fahababoanao ianao, ary hamindra fo aminao Izy ka hanangona anao indray avy any amin’ ny firenena rehetra izay nampielezan’ i Jehovah Andriamanitrao anao.

Joshua 15:4dia nandroso hatrany Azmona ka nahazo ny lohasahan-driak’ i Egypta, ary dia nihatra tamin’ ny ranomasina; izany no ho fari-taninareo atsimo.

Nehemiah 1:9nefa raha miverina amiko kosa ianareo ka mitandrina ny didiko sy mankatò azy, na dia hisy voaroaka hatrany am-paravodilanitra aza ianareo, dia avy any no hanangonako azy, ka ho entiko ho ao amin’ ny fitoerana izay nofidiko hampitoerako ny anarako izy.

Psalms 72:8Ary hanjaka hatramin’ ny ranomasina ka hatramin’ ny ranomasina izy, ary hatramin’ ny ony ka hatramin’ ny faran’ ny tany.

Isaiah 17:6Kanefa hisy sisa hotsimponina ihany izy tahaka ny amin’ ny fikapohana ny hazo oliva: Hisy voany roa na telo ao an-tendrony ambony indrindra, efatra na dimy ao amin’ ny rantsan’ ny hazo mahavokatra, hoy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.

Isaiah 56:8Izao no lazain’ i Jehovah Tompo, Izay mamory ny Isiraely voaroaka: Mbola hamory ny sasany koa ho eo aminy Aho, hanampy izay efa voavory eo aminy.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Isaia 27:12

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Isaia 27:11Bokin'i Isaia 27Bokin'i Isaia 27:13 →