Bokin'i Isaia 27:7
Moa tahaka ny namelezana izay namely azy va no moa namelezany azy koa? Ary tahaka ny namonoana izay novonoiny va no mba namonoana azy koa?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Isaiah 14:22Fa hitsangana hamely azy aho, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, ary hofoanako ny anaran’ i Babylona sy izay sisa ao mbamin’ ny zanany sy ny taranany, hoy Jehovah.
Isaiah 17:14Raha hariva ny andro, dia, injao, fampahatahorana; ary raha tsy mbola maraina akory aza, dia tsy ao intsony ireny. Izany no anjaran’ izay mamabo antsika sy tambin’ izay mandroba antsika.
Jeremiah 30:11Fa momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah; Koa na dia levoniko aza ny firenena rehetra izay nampielezako anao, Hianao tsy mba holevoniko; Nefa kosa mba hanariko araka ny antonony ihany ianao, fa tsy dia havelako fotsiny.
Jeremiah 50:40Toy ny nandravan’ Andriamanitra an’ i Sodoma sy Gomora mbamin’ ny tanàna eny akaikiny, hoy Jehovah, no tsy hisian’ olona honina any na zanak’ olombelona hivahiny any.
Daniel 2:31Hianao, ry mpanjaka ô, nahita fa, indro, nisy sariolona lehibe anankiray. Izany sary izany dia lehibe sady namirapiratra tsara, nijoro teo anatrehanao izy, ary ny tarehiny dia nahatahotra.
Nahum 3:19Tsy mety mihena ny fangirifirianao, Tsy azo sitranina ny ferinao; Izay rehetra ilazana ny nanjo anao dia hiteha-tanana anao; Fa iza no tsy efa tratry ny fandozanao mandrakariva?