Bokin'i Isaia 27:9
Ka izao no hamelana ny helok’ i Jakoba, Ary izao ihany no vokatry ny nanesorana ny fahotany, dia amin’ ny anaovany ny vato rehetra amin’ ny alitara ho tahaka ny vato sokay voatorotoro, ary ny Aseraha sy ny tsangan-kazo ho an’ ny masoandro dia tsy hitsangana intsony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 34:13Fa ravao ny alitarany, ary torotoroy ny tsangam-baton-tsampiny, ary jinjao ny Aserahany.
2 Kings 25:9ka nandoro ny tranon’ i Jehovah sy ny tranon’ ny mpanjaka mbamin’ ny trano rehetra tany Jerosalema: ny trano lehibe rehetra dia nodorany tamin’ ny afo avokoa.
2 Chronicles 14:5Ary nanao tanàna mimanda tany Joda izy; ka dia nandry fahizay ny tany, fa tsy nisy ady tamin’ izany andro izany; fa Jehovah no nanome azy fiadanana.
2 Chronicles 36:19Dia nodorany koa ny tranon’ Andriamanitra, ary noravany ny mandan’ i Jerosalema; ny lapan’ andriana rehetra tao koa dia nodorany tamin’ ny afo, ary ny fanaka tsara rehetra tao nosimbany.
Psalms 119:67Fony tsy mbola azom-pahoriana aho, dia naniasia; Fa ankehitriny dia mitandrina ny teninao aho.
Proverbs 20:30Ny fampangirifiriana dia mahafaka ny faharatsiana, Ary ny kapoka mahadio ny efitrefitra ao an-kibo.