Bokin'i Isaia 28:10
Fa didy anampy didy, didy anampy didy; Fitsipika anampy fitsipika, fitsipika anampy fitsipika; Kely etỳ, ary kely erỳ;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
11Eny, amin’ ny molotra miambakambaka sy amin’ ny fiteny baiko no hitenenany amin’ ity firenena ity,
Cross References
2 Chronicles 36:15Kanefa Jehovah, Andriamanitry ny razany, nampitondra teny ny iraka izay nirahiny ho any aminy; eny, nifoha maraina koa Izy ka naniraka, fa namindra fo tamin’ ny olony sy ny fonenany.
Isaiah 5:4Inona moa no mbola azo natao tamin’ ny tanim-boaloboko, Ka tsy efa nataoko taminy? Koa raha nanantena azy hamoa voaloboka tsara Aho, Nahoana no namoa voalobo-dratsy izy?
Jeremiah 11:7Fa nananatra mafy ny razanareo Aho tamin’ ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta ka ambaraka androany; Eny, nifoha maraina koa Aho ka nananatra hoe: Mihainoa ny feoko.
Matthew 21:34Ary rehefa mby akaiky ny taom-pahavokarana, dia naniraka ny mpanompony izy hankany amin’ ny mpiasa tany handray ny vokatra.
2 Timothy 3:7mianatra mandrakariva, nefa tsy mahatratra ny fahalalana ny marina.