Bokin'i Isaia 28:18
Hofoanana ny fanekenareo amin’ ny fahafatesana, ary tsy haharitra ny fifanarahanareo amin’ ny fiainan-tsi-hita raha ho avy ny loza manafotra, dia ho tonga fanitsakitsany ianareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Isaiah 2:15Sy ny tilikambo miringiringy rehetra Sy ny manda mafy rehetra
Isaiah 8:8Dia himaona fatratra izy ka hihatra amin’ ny Joda Ary hanafotra sady mbola hisondrotra ihany Mandra-pahatongany havozona; Ary ny fipasany eny an-daniny roa dia hanenika ny taninao, ry Imanoela ô.
Isaiah 28:3Dia hohitsahin’ ny tongotra ny satro-boninahitra, Izay reharehan’ ny mpimamo any Efraima.
Jeremiah 2:37Izany koa dia hialanao, ka hiloloha tanana ianao; Fa nolavin’ i Jehovah ny tokinao, ka tsy hambinina amin’ ireo ianao.
Jeremiah 47:2Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, misy rano mizotra avy any avaratra ka ho tonga ony maria manafotra ny tany mbamin’ izay rehetra ao aminy, dia ny tanàna mbamin’ izay monina ao aminy; Ka dia hitaraina ny olona, ary hidradradradra ny mponina rehetra amin’ ny tany.
Ezekiel 13:11koa lazao amin’ izay mandalotra azy amin’ ny feta tsy madity fa hirodana izy; hisy ranonorana mifafy; eny, milatsaha ianareo, ry havandra vaventy; ary mifofofofoa ianareo, ry tafiodrivotra.