Bokin'i Isaia 28:19
Ary na oviana na oviana no ihaviany, dia hahatratra anareo izany; Fa isa-maraina isa-maraina no hihaviany, na andro na alina; Ary ny vokatry ny fahafantarana izany fianarana izany dia fangovitana ihany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
1 Samuel 3:11Ary hoy Jehovah tamin’ i Samoela: Indro, Izaho hanao zavatra eo amin’ ny Isiraely, ka izay rehetra mandre izany, dia hangintsingintsina ny sofiny roa.
2 Kings 18:13Ary tamin’ ny taona fahefatra ambin’ ny folo nanjakan’ i Hezekia mpanjaka dia niakatra Sankeriba, mpanjakan’ i Asyria, hamely ny tanàna mimànda rehetra any Joda ka nahafaka azy.
2 Kings 24:2Ary Jehovah nampandeha ny miaramilan’ ny Kaldeana sy ny miaramilan’ ny Syriana sy ny miaramilan’ i Moaba ary ny miaramilan’ ny taranak’ i Amona hiady aminy: dia nampandehaniny hiady amin’ ny Joda ireo mba handrava azy araka ny tenin’ i Jehovah, izay nampilazainy ny mpaminany mpanompony.
Job 41:9Mifanindry lany ireo sady mifaniditra ka tsy azo sarahina,
Isaiah 33:7Indreo, ny lehilahy maheriny mitaraina eny ivelany; Ny iraka nitady fihavanana dia mitomany mafy.
Isaiah 37:3ary nanao taminy hoe: Izao no lazain’ i Hezekia: Andro fahoriana sy famaizana ary fanalam-baraka ity andro ity; fa mby ao am-piterahana ny zaza, nefa tsy misy hery hiterahana azy.