Bokin'i Isaia 28:22
Koa dia aza maniratsira intsony ianareo, fandrao atao mafy ny famatorana anareo; Fa fahafonganana voatendry no efa reko tamin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Hamelezana ny tany rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
23Mihainoa ianareo, ka mandrenesa ny feoko; Mitandrema, ka mandrenesa ny teniko.
Cross References
2 Chronicles 30:10Ary ny tsimandoa nitety ny tanàna hatrany amin’ ny tanin’ ny Efraima sy ny Manase ka hatrany amin’ ny Zebolona; fa nihomehezan’ ny olona sy novazivaziny foana izy.
2 Chronicles 36:16Kanjo ny olona nihomehy ireny irak’ Andriamanitra ireny sady nanazimba ny teniny sy namazivazy ny mpaminaniny mandra-pihatry ny fahatezeran’ i Jehovah taminy, ka tsy nisy nahavonjy azy.
Proverbs 19:29Vonona ho amin’ ny mpaniratsira ny fanamelohana, Ary ny kapoka ho amin’ ny lamosin’ ny adala.
Isaiah 10:22Fa na dia tahaka ny fasika any amin’ ny ranomasina aza ny isan’ ny Isiraely olonao, dia izay sisa aminy ihany no hiverina; Voatendry ny fandringanana izay hanafotra ho famaliana marina;
Isaiah 24:1Indro, Jehovah mahafoana ny tany ka mahalao azy ary mampihohoka azy ka manely izay mponina ao aminy.
Isaiah 32:12Miteha-tratra izy, fa malahelo ny saha nahafinaritra sy ny voaloboka vokatra.