Bokin'i Isaia 28:25
Rehefa voaravony tsara ny tany, moa tsy afafiny amin’ izay va ny voan’ ny nigela, ary tsy apariakany va ny komina, ary tsy alahany mitandahatra tsara va ny vary tritika sy ny vary hordea amin’ ny tany voafaritra ho azy Ary ny ampemby kosa eny an-tsisiny?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
24Moa ny mpiasa tany va miasa mba hamafy, na mitombo-doha sy mandravona ny taniny mandrakariva?
26Fa Andriamaniny no manoro azy izay mety hataony, Eny, Izy no mampianatra azy.
Cross References
Exodus 9:31Ary efa naripaka ny rongony sy ny vary hordea; fa efa niteraka ny vary hordea, ary efa namony ny rongony.
Matthew 23:23Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandoa ny fahafolon’ ny solila sy ny aneta ary ny komina ianareo, nefa navelanareo izay lehibe amin’ ny lalàna, dia ny rariny sy ny famindram-po ary ny finoana; ireto tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony havelanareo ireroana.