The Bible Software
bible.software › Bokin'i Isaia › Bokin'i Isaia 28 › Bokin'i Isaia 28:5

Bokin'i Isaia 28:5

Ary amin’ izany andro izany Jehovah, Tompon’ ny maro, dia ho satro-boninahitra tsara tarehy sy ho fehiloha firavaka ho an’ ny olony sisa,

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

In that day shall the LORD of hosts be for a crown of glory, and for a diadem of beauty, unto the residue of his people,

In Context

4Ary ny voninkazo mihamalazo amin’ ny firàvany tsara tarehy, izay eo an-dohan’ ny lohasaha lonaka, dia ho tahaka ny voan’ aviavy mialin-taona, raha tsy mbola tonga ny fahavaratra, koa izay mahita azy dia mijery, ary raha vao raisiny, dia arapany.

6Ary ho fanahy fitsarana ho an’ izay mipetraka eo amin’ ny fitsarana, sy ho hery ho an’ izay mampiverina ny ady hatreo am-bavahady.

Read all of Bokin'i Isaia 28

Cross References

Psalms 90:16Aoka hiseho amin’ ny mpanomponao ny asanao, Ary ny voninahitrao amin’ ny zanany.

Isaiah 11:16Ary hisy lalana voavoatra halehan’ ny olony sisa, izay sisa avy any Asyria, dia toy ny ho an’ ny Isiraely tamin’ ny andro niakarany avy tany amin’ ny tany Egypta.

Isaiah 41:16Hikororoka azy ianao, ka hopaohin’ ny rivotra izy, ary ny tafio-drivotra hanely azy; Fa ianao kosa dia hiravoravo amin’ i Jehovah, ary ny Iray Masin’ ny Isiraely no ho reharehanao.

Isaiah 60:1Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao, ary ny voninahitr’ i Jehovah efa miposaka aminao.

Isaiah 62:3Ka dia ho tonga satro-boninahitra eo an-tànany ianao sy satrok’ andriana eo am-pelatanan’ Andriamanitrao.

Zechariah 6:13Eny, Izy no hanao ny tempolin’ i Jehovah, ary Izy no hitondra voninahitra ka hipetraka sy hanapaka eo amin’ ny seza fiandrianany; ary ho mpisorona eo amin’ ny seza fiandrianany Izy; ary hisy fisainam-pihavanana amin’ izy roroa.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Isaia 28:5

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Isaia 28:4Bokin'i Isaia 28Bokin'i Isaia 28:6 →