The Bible Software
bible.software › Bokin'i Isaia › Bokin'i Isaia 29 › Bokin'i Isaia 29:10

Bokin'i Isaia 29:10

Fa Jehovah efa nampidina fanahy mahasondrian-tory ao aminareo, ary efa nakimpiny ny masonareo (dia ny mpaminany izany), ary efa nosaronany ny lohanareo (dia ny mpahita izany).

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

For the LORD hath poured out upon you the spirit of deep sleep, and hath closed your eyes: the prophets and your rulers, the seers hath he covered.

In Context

9Mijanona ianareo, ka mitalanjona, Tampeno ny masonareo, koa aoka ho jamba ianareo! Mamo ireo, nefa tsy tamin’ ny divay; Mivembena izy, nefa tsy tamin’ ny toaka.

11Ary ny fahitana ny amin’ izany rehetra izany raha aminareo dia tahaka ny teny amin’ ny taratasy voaisy tombo-kase, izay atolotra olona mahavaky teny ka atao hoe: Masìna ianao, vakio ity; Fa hoy izy: Tsy azoko vakina, fa efa voaisy tombo-kase izy;

Read all of Bokin'i Isaia 29

Cross References

1 Samuel 26:12Dia nalain’ i Davida ny lefona sy ny tavoara izay teo anilan’ ny lohan’ i Saoly ka dia lasa izy, ary tsy nisy olona nahita, na nahalala, na nahatsiaro; fa natory izy rehetra, satria nataon’ i Jehovah renoky ny torimaso izy.

Isaiah 3:2Ny lehilahy mahery sy ny mpiady, Ny mpitsara sy ny mpaminany, Ny mpanao fankatovana sy ny loholona,

Isaiah 6:10Ataovy adala ny fon’ ity firenena ity, Ary ataovy lalodalovana ny sofiny, Ary ataovy mikimpy ny masony, Fandrao hahita ny masony, Sy handre ny sofiny, Ary hahalala ny fony, Dia hibebaka izy ka ho sitrana.

Isaiah 30:10Izay manao amin’ ny mpahita hoe: Aza mahita, ary amin’ ny mpaminany: Aza maminany zavatra marina aminay: Manaova vava malefaka aminay, maminania fitaka,

Jeremiah 26:8Koa nony efa tapitra voalazan’ i Jeremia izay rehetra nasain’ i Jehovah nolazaina tamin’ ny vahoaka rehetra, dia nosamborin’ ny mpisorona sy ny mpaminany mbamin’ ny vahoaka rehetra izy ka nataony hoe: Ho faty tokoa ianao.

Amos 7:12Ary hoy Amazia tamin’ i Amosa: Ry mpahita! andeha mandositra mankany amin’ ny tanin’ ny Joda ianao, ka mihinàna hanina any, ary maminania any;

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Isaia 29:10

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Isaia 29:9Bokin'i Isaia 29Bokin'i Isaia 29:11 →