Bokin'i Isaia 29:14
Dia, indro koa, mbola hanao zava-mahagaga amin’ ity firenena ity Aho, dia zava-mahagaga sy mahatalanjona; Ka ho foana ny fahendrena kendriny, ary tsy ho hita ny fahalalan’ ny mazava sainany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Job 12:17Alany voninahitra ny mpanolo-tsaina, dia entiny. Ary asehony ny fahadalan’ ny mpitsara.
Isaiah 19:3Ary ho very hevitra ny Egyptiana; Eny, hofoanako ny saina ataony; Ary hila saina amin’ ny andriamani-tsi-izy sy amin’ ny mpibitsibitsika amin’ ny odiny izy sy amin’ ny manao azy ho tsindrian-javatra ary amin’ ny mpanao sikidy.
Isaiah 28:21Fa Jehovah hitsangana tahaka ny teo amin’ ny tendrombohitra Perazima, ho tezitra tahaka ny teo amin’ ny lohasahan’ i Gibeona Izy, mba hanaovany ny asany tsy ilay fanaony mandrakariva anefa, ary hahavitany ny ataony tsy ilay vitainy mandrakariva anefa.
Isaiah 44:25Izaho mahafoana ny famantarana lazain’ ny mpibedibedy sy mampahavery saina ny mpanao fankatovana ary mampihemotra ny olon-kendry ka mampody ny fahalalany ho fahadalana,
Jeremiah 19:7Ary hofoanako amin’ ity tanàna ity ny fisainan’ ny Joda sy Jerosalema, ka hataoko lavon-tsabatra eo anoloan’ ny fahavalony sy amin’ ny tànan’ izay mitady ny ainy izy; ary ny fatiny dia homeko ho fihinan’ ny voro-manidina sy ny bibi-dia.
Obadiah 1:8Moa tsy amin’ izany andro izany va, hoy Jehovah, no hamongorako ny olon-kendry ao Edoma, Sy ny manan-tsaina ao an-tendrombohitr’ i Esao?