Bokin'i Isaia 29:20
Fa lasa ny olon-dozabe, tsy ao intsony ny mpaniratsira; Ary fongotra izay rehetra miari-torin-tsaina amin’ ny ratsy,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Isaiah 13:3Izaho efa nandidy ny nohamasiniko, eny, efa niantso ny lehilahy maheriko aho, dia ireo mibitaka amim-pireharehana, hahatanteraka ny fahatezerako.
Isaiah 28:14Koa mihainoa ny tenin’ i Jehovah ianareo, ry mpaniratsira, izay manapaka ity firenena eto Jerosalema ity.
Isaiah 49:25Nefa izao no lazain’ i Jehovah: Na dia ny sambotry ny mahery aza dia halaina ihany, ary ho afaka ny babon’ ny mpandrombaka; fa Izaho no hiady amin’ izay miady aminao, ary Izaho no hamonjy ny zanakao.
Isaiah 59:4Tsy misy mitory olona araka ny fahamarinana, na mandahatra ny rariny araka izay mahatoky; matoky ny tsy izy sy miteny zava-poana izy; Torontoronina fampahoriana izy ka miteraka fandozana.
Daniel 7:19Dia naniry hahalala izay fototra marina ny amin’ ny fahefatra aho, dia ilay biby hafa noho izy rehetra sady mahatsiravina indrindra izay nanana nify vy sy hoho varahina sady nihinana sy nanotahota, ary ny sisa tsy laniny dia nohosihosen’ ny tongony;
Micah 2:3Koa izao no lazain’ i Jehovah: Indro, mamorona loza hamelezana ity firenena ity Aho, Izay tsy hahazoanareo hanafaka ny vozonareo, Ka tsy handeha miandranandrana ianareo, Satria andro mampahory izany.