Bokin'i Isaia 29:23
Fa raha ny zanany mahita ny asan’ ny tanako ao aminy, Dia hanamasina ny anarako izy, eny, hanamasina ny Iray Masin’ i Jakoba izy ary hangovitra eo anatrehan’ Andriamanitry ny Isiraely.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Isaiah 5:16Fa Jehovah, Tompon’ ny maro, no hisandratra amin’ ny fitsarana, Ary Andriamanitra masìna dia hiseho ho masìna amin’ ny fahamarinana.
Isaiah 19:25Fa hotahin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, ireo ka hataony hoe: Hotahina anie Egypta oloko, sy Asyria, asan’ ny tanako, ary Isiraely lovako.
Isaiah 43:21Izao olona noforoniko ho Ahy izao no hanambara ny fiderana Ahy.
Isaiah 49:20Ny zanakao izay efa lasa teo dia mbola hilaza eo an-tsofinao hoe: Tsy omby ahy loatra ity tany ity, Mikisaha kely mba hitoerako.
Hosea 3:5Rehefa afaka izany, dia hiverina ny Zanak’ Isiraely ka hitady an’ i Jehovah Andriamaniny sy Davida mpanjakany; ary nandeha amin-kovitra hanatona an’ i Jehovah sy ny fahasoavany izy, raha mby any am-parany.
Ephesians 2:10Fa asany isika, voaforona tao amin’ i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara, izay namboarin’ Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo aminy.