Bokin'i Isaia 29:4
Dia haetry ianao ka hiteny ao amin’ ny tany, ary ao amin’ ny vovoka no hibitsibitsihanao, eny, ny feonao hivoaka avy amin’ ny tany tahaka ny an’ ny manao azy ho tsindrian-javatra, ary avy ao amin’ ny vovoka no ikiakiahan’ ny teninao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Isaiah 2:11Ny fiandranandran’ ny mason’ ny zanak’ olombelona dia haetry, Ary ny fiavonavonan’ ny olona hatao mitanondrika; Fa Jehovah ihany no hisandratra amin’ izany andro izany.
Isaiah 8:19Ary raha lazainy aminareo hoe: Milà saina amin’ ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao sikidy, izay mitsiatsiaka sy miboeriboerika, Moa tsy Andriamaniny va no tokony hilan’ ny olona saina? Fa hila saina amin’ ny maty ho an’ ny velona va izy?
Lamentations 1:9Ny lotony dia teo amin’ ny moron-tongotr’ akanjony, tsy nitsapa farany izy; Dia mahagaga ny fietreny, tsy misy mampionona azy. Jehovah ô, jereo ny fahoriako, fa mirehareha ny fahavalo.