Bokin'i Isaia 3:10
Lazaonareo ny amin’ ny marina fa hahita soa izy, Fa ny vokatry ny asany no hohaniny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Psalms 18:23Ny fitsipiny rehetra dia teo anatrehako, ary ny lalàny tsy mba nampialaiko tamiko;
Psalms 128:2Fa hohaninao tokoa ny asan’ ny tananao; Sambatra sady ambinina ianao.
Ecclesiastes 8:12Eny, fa na dia manao ratsy injato aza ny mpanota ka ela velona ihany, dia fantatro kosa fa hisy soa ho an’ izay matahotra an’ Andriamanitra, dia izay matahotra eo anatrehany.
Jeremiah 15:11Dia hoy Jehovah: Nahafaka anao Aho hahasoa anao; Hataoko tonga mifona aminao tokoa ny fahavalo amin’ ny andro ahitan-doza sy amin’ izay andro mahory.
Ezekiel 9:4Ary hoy Jehovah taminy: Mandehana mamaky ny tanàna, dia Jerosalema, ka asio marika ny handrin’ ny olona izay misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra atao eo aminy.
Zephaniah 2:3Mitadiava an’ i Jehovah, ianareo mpandefitra rehetra amin’ ny tany, Izay efa nanaraka ny fitsipiny: Tadiavo ny fahamarinana, Tadiavo ny fandeferana; Angamba ho voafina ianareo amin’ ny andro fahatezeran’ i Jehovah.