Bokin'i Isaia 3:19
Na ny kavina voavola, na ny rojo, na ny fisalobonana makarakara,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
The chains, and the bracelets, and the mufflers,
In Context
Cross References
Genesis 24:22Ary rehefa tapi-nisotro avokoa ny rameva, dia nalain-dralehilahy ny kavin’ orona volamena iray, lanjan’ ny sasaky ny sekely, sy haba volamena roa, lanjan’ ny sekely folo, hatao amin’ ny tànany;
Genesis 24:53Ary ilay mpanompo dia namoaka firavaka volafotsy sy firavaka volamena ary fitafiana, ka nomeny an-dRebeka; ary nomeny zava-tsoa koa ny anadahiny sy ny reniny.
Genesis 38:25Ary rehefa navoaka izy, dia naniraka tany amin’ ny rafozany ka nanao hoe: Ny lehilahy izay tompon’ ireto no nananako anaka; ary hoy koa izy: Masìna ianao, fantaro izay tompon’ ireto fanombohan-kase sy kofehy ary tehina ireto.
Exodus 32:3Ary ny olona rehetra dia nandrombotra ny kavim-bolamena izay teny amin’ ny sofiny ka nitondra azy ho eo amin’ i Arona.
Numbers 31:50koa nitondra fanatitra ho an’ i Jehovah izahay, dia ny firavaka volamena efa azonay avy, dia fehin-tanana sy haba sy peratra fanombohan-kase sy kavina ary voavola, hanaovana fanavotana ho an’ ny ainay eo anatrehan’ i Jehovah.
Ezekiel 16:12Ary nasiako kavina ny oronao sy ny sofinao ary satro-boninahitra tsara tarehy ny lohanao,