Bokin'i Isaia 3:25
Ny lehilahy ao aminao ho lavon-tsabatra, Ary ny mahery ao aminao ho faty an’ ady;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Thy men shall fall by the sword, and thy mighty in the war.
In Context
26Ka dia hitomany sy hisaona ny vavahadiny; Ary ho lao ny tanàna ka hanjokaiky,
Cross References
2 Chronicles 28:6Fa Peka, zanak’ i Remalia, nahafaty olona roa alina sy iray hetsy indray andro tamin’ ny Joda, dia lehilahy mahery avokoa, noho ny nahafoizan’ ireny an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany.
Isaiah 1:20Fa raha mbola mandà sy miodina ihany ianareo, Dia ho lanin’ ny sabatra: Fa ny vavan’ i Jehovah no efa niteny.
Jeremiah 14:18Raha mivoaka any an-tsaha aho, dia indreny ny matin-tsabatra! Ary raha miditra ao an-tanàna kosa aho, dia indreo ny anan’ ny mosary! Eny, ny mpaminany sy ny mpisorona dia mirenireny mankamin’ ny tany tsy fantany.
Jeremiah 19:7Ary hofoanako amin’ ity tanàna ity ny fisainan’ ny Joda sy Jerosalema, ka hataoko lavon-tsabatra eo anoloan’ ny fahavalony sy amin’ ny tànan’ izay mitady ny ainy izy; ary ny fatiny dia homeko ho fihinan’ ny voro-manidina sy ny bibi-dia.
Lamentations 2:21Miampatrampatra eny an-dalambe ny tanora sy ny antitra; Ny virijinako sy ny zatovoko dia lavon’ ny sabatra, Novonoinao tamin’ ny andro fahatezeranao izy, eny, naripakao, fa tsy niantranao.