Bokin'i Isaia 3:5
Ary hifanipaka izy samy iray firenena, Dia samy ny namany avy sy ny akaiky azy avy; Ny tovolahy hirehareha amin’ ny anti-panahy, Ary ny tsy manan-daza amin’ ny manan-daza.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
4Ary hanendry ankizilahy madinika ho lehibeny Aho, Ary ny haitraitran-jaza no hanapaka azy.
Cross References
2 Samuel 16:5Ary nony nanakaiky an’ i Bahorima Davida mpanjaka, indro, nisy lehilahy, tamingan’ i Saoly ny anarany dia Simey, zanak’ i Gera nivoaka avy tao izy ka nanozona teny am-pandehanana.
Job 30:1Fa ankehitriny kosa dia mihomehy ahy na dia izay tokon-jandriko aza, dia zanak’ ireo izay nolaviko tsy ho isan’ ny amboa miandry ny ondriko akory aza.
Isaiah 1:4Indrisy! firenena mpanota, olona mavesa-keloka, Taranaka mpanao ratsy, zanaka mpanao meloka! Efa nahafoy an’ i Jehovah izy, Efa nanamavo ny Iray Masin’ ny Isiraely. Efa nihodina izy.
Isaiah 9:19Ary mandripaka eny ankavanana izy nefa noana ihany; Ary mandany eny an-kavia izy, nefa tsy voky ihany; Samy mihinana ny nofon-tsandriny avy izy rehetra,
Isaiah 19:2Ary hamporisihiko hiady izy samy Egyptiana, ka samy hiady amin’ ny rahalahiny avy sy amin’ ny namany avy izy; Ny tanàna hiady amin’ ny tanàna, ary ny fanjakana amin’ ny fanjakana.
Jeremiah 22:17Nefa tsy misy alehan’ ny masonao sy ny eritreritrao afa-tsy ny filan-karena ihany sy ny fandatsahana rà marina ary ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny.