Bokin'i Isaia 30:1
Lozan’ ny zaza maditra, izay maka saina, nefa tsy avy amiko, hoy Jehovah, ary manao fanekena, nefa tsy avy amin’ ny Fanahiko, mba hanampy ota amin’ ny ota,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Numbers 32:14Ary, indreto, ianareo mitsangana hisolo ny rainareo, ho taranaka mbola mpanota, hampitombo ny firehetan’ ny fahatezeran’ i Jehovah amin’ ny Isiraely.
Deuteronomy 9:24Eny, niodina tamin’ i Jehovah ihany ianareo hatramin’ ny andro nahalalako anareo no ho mankaty.
Joshua 9:14Ary nangalan’ ny olona ny vatsin’ ireo, nefa tsy nanontany tamin’ ny vavan’ i Jehovah izy.
2 Kings 18:24Hataonao ahoana no fampiamboho ny komandy iray amin’ ny mpanompon’ ny tompoko, na dia izay kely indrindra aminy aza? Nefa matoky an’ i Egypta ianao hahazoanao kalesy sy mpitaingin-tsoavaly.
Psalms 61:4Fa aroko Hianao sy tilikambo mafy handosirako ny fahavalo.
Isaiah 1:2Mandrenesa, ry lanitra, ary mihainoa, ry tany, Fa Jehovah no miteny hoe: Efa nitaiza sy nahalehibe zaza Aho, Kanjo niodina tamiko ireo.